|
|
|
|

Entrée1  Tanala very sampy
Mots élémentaires  2  Tanala, 3  very, 4  sampy
Partie du discours  5  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  6  Littérature: poèmes
Auteur  7  Rabearivelo Jean-Joseph
Texte complet  8  Raha sendra misoka ny volana ambony,
9  Raha takona mantsy, ka tsy mba hita intsony,
10  Ankaratra misento, ka tsy mba mitony,
11  Andringitra no ho avy hanony ny fony.

12  Irony domohina raha toa saraka ala,
13  Indrisy! misento. Indrisy! fa adala?
14  Manembona hono, fa lavi-malala -
15  Hanova no sisa, fa sampin-tanala.

16  Avia, ry vorona? Avia mba mikalo!
17  Alaotra nilaozana, tomany mpandalo;
18  Very tsiriry ka indrisy? mimalo? -
19  Vonoiko ny sento, tsy ekeko hampivalo.

20  Ory manjavona - Ankaratra izany?
21  Onena misento - Ankaratra ihany
22  Ny tsy anilan-tiana no tena tomany -
23  Ny lehilahy kosa tsy lavon'izany.

24  Ora-midona no mety hampahatsiahy
25  Ozom-pitia mijoro hampanahy;
26  Toa aloka sisa, fa very fanahy? -
27  Tanala very sampy aho, ry lahy.

28  Samborina ve ny domohin'ny tena,
29  Samborina ho an-kafa, hanorisorena?
30  Indrisy! misento. Indrisy! mivena -
31  Izaho manan-kambo tsy resy resena.

32  Efa nisinda ilay kinta-nirina,
33  Efa niova fangirifiriana;
34  Orosan-tsy satry ny sento iniana?
35  Ovao ny famindra, ka 'ndeha miova tiana.

Mis à jour le 2025/09/13